Iza moa i tahinaf8?
Nampidirin'i tahinaf8 | 30 Mar, 2006Izaho moa izany dia zazavavy teraka t@ 25 Novambra 1981 tao Ankadifotsy Antananarivo Madagascar. Nipetraka tao antananarivo izahay nandra-paha lehibebe anay.
Rehefa nanomboka lehibebe izahay zanaky dada sy Neninay (misy 5 izahay, 2 vavy sy 3 lahy, mananjoky vavy 1 sy lahy 1 ny tenako, ary zandry lahy 2) dia nandeha nifindra tany Toliara, dia refaveo izahay nikisika kely tany @ morontsiraka tany Majunga tany, mba nandeha naka rivotra kely.
Rehefa avy any Majunga izahay dia lasa nifindra tao Fianarantsoa indray, dia tao izahay no nipetraka nandra-pahazoako ny diplaomako bakalaorea.
Rehefa azoko moa ny bakalaorea, dia lasa nifindra nianatra tany antananarivo aho , nanohy ny fianarako t@ sekoly ambony momba ny fitantanana orinasa.
Rehefa avy eo moa ny tenako dia nandeha nandrato fianarana taty Frantsa hampitombo bebe kokoa ny fahalalana mikasika ny fianarana ny fitantanana izay nataoko tany Antananarivo ihany.
Mianatra aty @ faritra iray izay misy ny seranan-tsambo anisan'ny lehibe indrindra eto frantsa ny tenako. Aty @ departemanta antsoina hoe "Seine Maritime" 76. Ao @ Université du Havre, Faculté des Affaires Internationales" ny tenako no manohy ny fianarana momba ny fitantanana ny orinasa.
Dia izay sy izay izany no mikasika an'i tahinaf8.